4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hira fiarahabana - Henri ratsimbazafy

Falifaly ny fo tafahaona
eto indray
ka ny voalohan-teny manao ahoana
hatramizay ?
Vao mahita ny tavanareo
dia misinda ho azy ny toreo
ka manandra-peo
hiarahabana anareo.

Ny fotoanantsika dia haharitra
adiny roa,
enga anie ianareo ka ho finaritra
sy ho afa-po.
Ka ny voaloham-pitenenana
dia fisaorana sy fankatelemana
misaotra re !
misaotra be dia be.


'Zay rehetra aseho etoana androany,
na hatsikana na dihy na hira izany
dia irina
mba hanala sorisory 'nefa koa
hahafinaritra sy mba hitondra soa
sy hafaliana

Partager hira fiarahabana

Commenter hira fiarahabana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite